Filohan’ny Antenimierandoholona: « Aoka atsahatra ny adilahy politika »

Nitsidika ireo mpitondra sy manampahefana ao Nosy Be ny filohan’ny Antenimieran­doholona, Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny dinidinika sy fifampizarana tamin’izany. « Efa vita ny fififidianana ka aoka atsahatra ny adilahy politika. Tokony himasoan’ny rehetra ny fampandro­soana ny tanàna », hoy izy. Nampa­hafantarina tamin’izany ny to­rolalana iadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna na avy any ivelany tonga eto an-toerana na ny samy ato anatiny. Nanterin’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity fa tokony hamafisina ihany koa ny resaka fandriampahalemana. Tafi­ditra ao anatin’izany ny mom­ba ireo mpizahatany tonga mitsidika eto amintsika, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, nambaran’ ny loholona, Mino Sera­mila, koa fa tokony homena lanja ireo Malagasy mpandraharaha amin’ny sehatra ataony. Ny ben’ny Tanànan’i Nosy Be, Aly Aboudou, kosa nangataka ny hampiharana ny sata ma­nokana ho an’ity kaominina ambonivohitra ity.
Ankoatra izay, nangataka fanazavana momba ny he­tran-tany sy trano « Impôt foncier » nandraisan’ny fitondram-panjakana foibe fanapahan-kevitra ireo mpanolo­tsain’ny Tanàna. Teo koa ny fa­namafisana ny ady amin’ny kolikoly. Manampy izany ny fijerena manokana ny hampandrosoana an’i Nosy Be.
Anisan’ny niatrika ny fi­haonana tany an-toerana ireo olom-boafidy sy lehiben’ny sampandraharaham-panja­kana.

Synèse R.

Partager sur: