Minisitra Sahondrarimalala: « Manana fijery lavitra ny filoha »

« Manana fijery lavitra ny filoha Rajoelina Andry ka tsy takatry ny olona sasany », hoy ny minisitra sady birao politi­kan’ny TGV, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Fianaran­tsoa, tamin’ity herinandro ity. No­­tanisainy tamin’izany fa ma­herin’ny 8 000 ny isan’ireo se­koly vitan’ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona. Masina ny fanabeazana rehefa masina ny ta­nindrazana ka mila omena ha­sina ny mpanabe sy ny mpampianatra, araka ny nambarany. « Mijery izany ary manana vina maro ny filoham-pirenena », hoy ihany izy. Notsiahiviny fa maro ireo sehatra nianarany, niaraka amin’ny mpanorina ny TGV ka nahitany izany fahaiza-manaon’ny filoha, mijery lavitra kokoa, izany. « Tsy mahagaga raha filohan’ny Sadc izy noho ny haitarika ananany », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: