Hotontosaina ny sabotsy 30 sy alahady 31 aogositra izao, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, ny fifaninanana “Alley Hoop Quest”, taranja basikety 3×3. Ekipa 80 no hifaninana.
Raikitra ny fifaninanana! Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara. Nahitana ny RDJ, CUA, ny Federasionina malagasin’ny basikety ary ireo mpanohana maro be, toy ny XXL Energy sy ny Orange izany. Ekipa 80, ahitana sokajy 6 (U17 Lahy sy vavy, U23 lahy sy vavy ary élites lahy sy vavy) no hifaninana mandritra ireo fotoana ireo. Kianja 3 no hatsangana eo amin’ny Parvis Analakely ka hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena toy ireny kianja filalaovana basiekty 3×3 any ivelany ireny mihitsy, araka ny nambaran’ny filoha Tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana. Tanjona, hoy izy, ny hahafahana manao fifaninanana manoloana ny Lapan’ny tanàna, toy ny any ivelany. Eo ihany koa ny fampivoarana ny tanora amin’ny alalan’ny basikety. Ankoatra ny lalao ho hita eny an-toerana, hisy koa ny seho maro isan-karazany handravaka ny hetsika.
Ho any Chine ny mpandresy amin’ny élites, sokajy lehilahy
Toy ny efa fanao rehefa amin’ny fifaninanana “Alley Hoop” toy izao, misy hatrany ny loka miandry ireo mpandresy, raha ny ho an’ny ekipa U17 sy U23 ary ny élites vavy. Ho an’ny sokajy élites lehilahy kosa, hahazo ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana “Fiba 3X3 World Tour” any Shenzhen, Chine, izay mivoaka ho mpandresy eo. Ny 5 sy 6 oktobra izao no hotanterahina izany fifaninanana izany ary efa fantatra avokoa ireo firenena handray anjara. Ny ekipa Antananarivo moa no anarana hoentin’izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ izany. Tsiahivina fa laharana fahefatra no nisy ny ekipa Antananarivo tamin’ny “Fiba 3×3 World Tour”, taona 2023.
Mi.Raz




