Mitohy amin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho mpampiofana momba ny fitantanana ny tetibola sy ny volan’ny kaominina. Tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Nambaran’ny eo anivon’ny minisitera fa anisan’ireo laharam-pahamehana ny fanatsarana ny paikady amin’ny fitantanana ny tetibola sy ny vola eny anivon’ny kaominina. Mifanaraka amin’izany ny fampahatsiahivana ireo fanatsarana manodidina ny didy aman-dalàna mifehy ny lamina amin’ny fitantanana ny vola sy ny kaonty, indrindra ho an’ireo kaominina ambanivohitra. Halalinina mandritra izany ireo fomba arahina sy ny fitaovana lasitra napetraky ny didy amam-pitsipika amin’ny fanatanterahana ny tetibola sy ny fandrafetana ny kaontim-pitantanana. Nizarana traikefa sy nampitoviana ny fomba fijery amin’ny fampiharana ireo fanovana napetraky ny didy aman-dalàna ihany koa izany. Mba hoentina mamakafaka ireo fanao mahazatra sy ny dingana fanatsarana tokony hiantsorohana ihany koa ity atrikasa ity. Nambaran’ny eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (INDDL) fa ezaky ny MFFT ny mba hampivoarana hatrany ny kalitaon’ny fanofanana sy tantsoroka maro samihafa ho an’ny kaominina.
Tantsoroka amin’ny filan’ireo kaominina
Miara-misalahy amin’izy ireo ny mpampiofana isaky ny faritra. « Tafiditra amin’ireo dingana manoloana ny fanamby, hitondrana tantsoroka mifanandrify amin’ny filan’ireo kaominina, nofaritan’ny Drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE) izany », hoy izy ireo.
Efa nialohavan’ny fampiofanana ny 19 hatramin’ny 23 aogositra teo, tao Tolagnaro, izao atrikasa fampiofanana ho mpampiofana izao.
Niatrika izany ireo solontenam-panjakana, lehiben’ny sampandraharahan’ny vola eo anivon’ny faritra sy ny kaominina ambonivohitra. Eo koa ny avy amin’ireo sampandraharaham-panjakana anapariaham-pitondrana anatin’ny faritra.
Synèse R.




