Fifanintsanana Mondial 2026 : Mpilalao dimy voaantso hanatevina ny Barea A

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 23 handrafitra ny Barea A, hiatrika ny fifanintsanana “Mondial 2026”, hihaonana amin’i Centrafrique sy i Tchad, ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly malagasy, i Corentin Martins, omaly.

Ela ny ela! Namoaka ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Barea A miisa 23, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny FMF ny mpanazatra, i Corentin Martins, omaly. Nisongadina tamin’izany ny fahatongavan’i Andy Pelmard, vodilaharana milaravinahitra ao amin’ny Clermont Foot, divizionina faharoa ao Fran­tsa, sy ireo mpilalao Barea A’, izay mamiratra amin’izao fifaninanana “Chan 2024” izao. Ahitana an’i Bono sy i Nicolas, vodilaharana, ary i Toldo, mpiandry harato, miampy an’i Mamisoa, mpilalao afovoany.
Ankoatra izy efatra mirahalahy ireo, misy mpilalao telo hafa koa amin’ity Chan ity, nantsoin’ity frantsay teknisianina ity. Anisan’izany i Tony sy i Lalaina ary i Rado. Tsara marihina fa tsy tazana tao anaty lisitra ry Sonny Laiton sy i Melvin Adrien, izay samy mpiandry harato mila ravinahitra any ivelany.

Hatao any Maroc ny lalao …

Noho ny tsy fisian’ny kianja ankatoavin’ny Caf eto Madagasikara, voatery any Maroc indray ny Barea no handray ny lalao hihaonana amin’i Centrafrique sy i Tchad. Araka ny fikarohana natao, ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli Casablanca no hanaovana ny fifanandrinan’i Madagasikara sy i Centrafrique, ny 4 septambra ho avy izao. Mbola ao amin’io toerana io ihany koa no hifandona ny Malagasy sy ny tchadianina, ny 8 septambra ho avy izao.

Fitia Randria

Ireto avy ny lisitr’
ireo mpilalao 23 voaantso Barea A :

Mpiandry harato (3): Razakanirina Nina (As Mar­souins), Geordan Dupire (FC Swift Hesperange), Michel Ramandimbisoa na i Toldo (Elgeco Plus)
Vodilaharana (8): Sandro Tremoulet (FK Radnik Sur­dulica), Eshan Kari (Etoile FC St Raphael), Andy Pelmard (Clermont Foot 63), Rado­niaina Rabemanantsoa (AS Fanala­manga), Tony Randria­manam­pisoa (Elgeco Plus), Morgan Jean Pierre (Fleury FC), Nicolas Randria­mana­mpisoa (Fosa Juniors), Bono Rabea­rivelo (Disciples FC)
Afovoany (6): Clement Couturier (Fleury FC), Marco Ilaimaharitra (Standard de Liege), Mamisoa Rakotoson (Elgeco Plus), Lalaina Rafa­no­­me­zantsoa (CFFA), Rayan Raveloson, (Young Boys) ary i Johan N’Zi
Lohalaharana (6): Njiva Rakotoharimalala (Ratchaburi FC), Arnaud Randrianan­tenaina (El Gouna), El Hadary Raheriniaina (Valenciennes FC), Hakim Abdallah (Uta Arad), Warren Caddy (FC S Lausanne-Ouchy), Bryan Adinany (K Lierse SK)

Partager sur: