Notanterahina ny alarobia lasa teo, tao Roman-sur-Isère, ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nihintsana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny ekipa malagasy, nisy an’i Yves sy i Balôty ary i Tianakely. Lavon’i Italie, tamin’ny isa mazava 13 no ho 0, izy ireo. Nisongadina ny fahaiza-manao italianina, tompondaka maneran-tany 2024, notarihin’i Diego Rizzi sy i Cocciolo ary i Chiapello. Tsy nisy niainan’ny Malagasy mpilalao mihitsy ny tifitra nataon’i Rizzi izay nofenoin’iretsy namany ihany koa, na tamin’ny fakana isa “pointe” izany na tamin’ny tifitra. Sahirana ny Malagasy nanoloana ny taktika sy ny teknika nentin’izy ireo. Italie rahateo no nandrombaka ity dingana fahenina ity. Na resy aza ny Malagasy, mbola mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana ankapobeny. Nahazo isa 35 i Madagasikara, arahin’ny ekipan’i Riviera amin’ny isa 34, i Bonetto, manana isa 31 ary eo amin’ny toerana fahefatra Italie, nahazo isa 26. Mbola misy dingana iray farany mialoha ny “Final Four”, hatao ny 4 septambra ho avy izao, any Levallois.
Tompondaka




