Nandray anjara voalohany tamin’ny fifaninanana ho an’ny ankizy, “Kids BJJ Games”, ny klioban’ny JJB Attila, ny herinandro lasa teo. Fandraisana anjara voalohany kanefa nahitam-bokany. Medaly volafotsy 3 no azon’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity, tamin’ny alalan’i Océane (zazavavy 15 taona), i Misandratra (zazalahy 14 taona) ary i Misanda (zazalahy 12 taona). Ny taona 2008 no nitsangana ny klioba izay ahitana mpikatroka 50. Ankoatra ny fanapariahana sy fampandrosoana ny Jiu-Jitsu breziliana eto Madagasikara, ny hanofana mpikatroka amin’ny sokajin-taona rehetra mba hanatrarana ny tanjon’ny tsirairay avy no fanamby ho an’ny JJB Attila. Fitaizana vatana ho an’ireo efa zokiny, fiomanana amin’ny fifaninanana kosa ho an’ireo tanora sy ankizy mazoto no himasoan’ireo mpampianatra sy mpanazatra amin’izany. Ny fianarana miaro tena ho an’ny rehetra sy ny fomba fiaina (BJJ Lifestyle) izay lasa anisan’ny andavanandro rehefa mikatroka ela ihany koa no tena zava-dehibe eo anivon’ny klioba. Ankoatra ny sehatra eto an-toerana, tanjona ny hanomana sy hanohana ny atleta mba hahafahany misolo tena an’i Madagasikara eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Isaky ny sabotsy amin’ny 10 ora sy sasany maraina hatramin’ny 12 ora atoandro, ny kotrana ho an’ny ankizy, ao amin’ny Dojo Esca Antanimena. Misy ny taratasy fenoina ho an’izay te hiditra ao amin’ny klioba ary 35 000 Ar isan-taona ny saram-pisoratana anarana.
Mi.Raz




