Dihy ara-panatanjahantena: Manofana mpitsara matihanina ny FMDSS

Taorian’ny fahavitan’ny fifidianana eo anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, tsy mitsahatra mitady ny fomba ampiakarana ny lentan’ity taranja ity ny mpitantana ny FMDSS. Manatanteraka fitsidiham-paritra izy ireo, manome fiofanana ho an’ny mpitsara fifaninanana. Mpitsara 20 no efa nisitraka izany tao Vakinankaratra, ary 22 kosa tany Atsinanana. Hitohy any Boeny, ny 1 hatramin’ny 5 septambra izao, izany fampiofanana mpitsara izany ary any Diana, ny 6 hatramin’ny 11 oktobra izao, raha ny fandaharam-potoana. “Efa ambony be amin’izao ny lentan’ny mpifaninana ka mila manana ny haavo teknika mifanaraka amin’izany ireo mpitsara”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Federa­sionina, Randrianarisoa Rijamanitra. Izany indrindra no anton’izao fiofanana izao. Eo amin’ny fifaninanana kosa, ny “Trophée Magnitry Danse”, andiany faha-5 no fandaharam-potoana manaraka, izay hatao ny 11 oktobra izao. Amin’ny taona 2026 kosa no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: