Minisitra Rasata Rafaravavitafika : « Fakan-tahaka ho an’ny fampandrosoana i Singapour »

Noraisin’ny praminisitr’i Singapour, Lawrence Wong, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, afakomaly. Nivoitra tamin’izany ny dingana vitan’ity firenena ity.

Nifanakalozana teo amin’ ny roa tonta tamin’izany ny resaka fampandrosoana maharitra. Tafiditra amin’ ny fifampizarana eo amin’ny samy tomponandraiki-panjakana avy any Singapour sy i Afrika «Singapore–Africa Mi­nisterial Exchange Visit – Samev» izany.
Voaresaka manokana ny tanjaky ny toekaren’ity firenena ity sy ny fihazakazahany. Anisan’izany traikefan’izy ireo izany ny eo amin’ny drafitra fa­najariana ny tanàna, indrindra ireo tanàn-dehibe. Ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny kalitaon’ny fitantanandraharaham-panjakana. Eo koa ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy ny ady atao amin’ny kolikoly. Nison­gadina tamin’ny fihaonana ny fananan’izy ireo ny politika ara-bola. « Anisan’ireo firenena efa lasa lavitra amin’ny fampandrosoana ary maodely i Singapour », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika.

Firenena dragona any Azia

Tsiahivina fa feno 60 taona izao ny nahazoan’izy ireo ny fahaleovantenany. Efa mipetraka ho anisan’ireo «firenena Dragona» na goavana any Azia eo amin’ny toekarena sy ny fampandrosoana izy ireo noho ny ezaka niarahana sy ny fiombonana eo aminy. Tsy mifanalavitra amin’izany rahateo ny ezaky ny fitondram-panjakana ny amin’ny hanamafisana ny firosoana ho any amin’ny fanovana sy ny hampiroboroboana ny toekarena maharitra hositrahan’ny vahoaka malagasy.

Synèse R.

Partager sur: