Miara-mirona  

 

Raikitra! Anio ny fotoana hanoratan’i Madagasikara tantara eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Mino sy matoky isika Malagasy fa hitondra ny amboara mody amin’ny lalaon’ny Chan, taranja baolina kitra. Tsy hisy ahatohitra akory izany hafanam-pon’ny vahoaka 30 tapitrisa izany. Onja miabo faobe no entintsika manohana ny maherifontsika. Miara-mirona ara-bakiteny.
Vanim-potoana ny anio hoenti-mandrava ilay rindrin’ny fizarazarana. Tsy hiresahana politika sy firehan-kevitra fa hanambarana fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny baolina kitra. Mila manakombom-bava isika tsy hiresahana “lapoasy-lapoasy” izany. Mazava ny tenin’ny mpanazatra, Rôrô, fa tsy misy fahagagana ny baolina, ady sy fifanohanana io. Tsy tokony hisy olona hanao fandoto iray tandroka na volo mpanoha-randrana.
Taratry ny fitiavantsika an’ity nosy malalantsika ity ny fanohanana ny Barea, anatin’ny fampitovizana tadin-dokanga. Somary mampalahelo ny mahita ireo mpanao politika sasany sy ny mpiara-dia aminy mahavita manozona. Manao izay haharesy ny Barea, noho ny fankahalana olona be fahatany. Mainka mahakivy ny olona heverina ho avara-pianarana indray no mamendrofendro sy mamorika saim-bahoaka.
Mila mampirina ny hambom-po diso toeran’ny Malagasy sasany. Mila ahitsy ny filalaovana politika maloto. Baolina ny resaka dia aoka ho baolina. Tsy mendrika faharesena i Madagasikara fa firenena voahosotra ny hisandratra.

r.r

Partager sur: