Nifarana omaly, tany Mahajanga, ny atrikasa nataon’ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsene, tamin’izany fa hifanatrika amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana izy ireo. « Mbola hialohavan’ny atrikasa eny anivon’ny faritany aloha izany ary avy eo vao ny atrikasam-pirenena, ho fanatsarana ny zotram-pifidianana. Maromaro ireo tolokevitra ary samy manana ny azy ka ilana fifanatrehan’ny rehetra izany», hoy izy. Efa ao anatin’ny fandinihana ireo sosokevitra rehetra voaray izy ireo amin’izao fotoana izao. Haravona izany ary ampiarahana amin’ny dinika sy ny atrikasa, natao tany Mahajanga iny, araka ny nambarany. « Hivoaka aorian’izany rehetra izany ny fehin-kevitra ary hatolotra ny solombavambahoaka, ireo loholona ary ny governemanta », hoy izy. Anisan’ny efa novoizin’ireo antoko politika, nialoha ny fifidianana filoham-pirenena, ny taona 2023, ohatra, ny hanaovana ny rejisi-pifidianana ho biometrika. Efa nifanakalo traikefa momba izany tany Bénin rahateo ny filohan’ny Ceni. Mety tsy azo ihodivirana ny hampiasana izany amin’ny hoavy.
Tsiahivina, naharitra telo andro ny atrikasa nataon’ny Ceni sy ireo rantsamangaikany tany Mahajanga, nifarana omaly. Nanaovana tombana ho fanatsarana ny zotram-pifidianana hatao amin’ny aoriana izany. Nofaritana tamin’izany koa ireo mety ho ambana mety hiseho sy ny ho fisorohana mialoha. Noraisina avokoa ny sosokevitra tamin’izao atrikasa izao ary haroso amin’ireo dingana samihafa ho fanatsarana ny zotram-pifidianana, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.




