Naneho ny alahelony ka manao antso avo amin’ny filoha sy ny praiminisitra ary ny minisitry ny Fitsarana ireo mpandraharahan’ny fonja. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny momba ireo mpiara-miasa aminy.
«Maro ireo namanay voatazona am-ponja amin’ny tsy rariny. Ao ireo enjehin’ny Pac ka anisan’izany ny ao Mahajanga », hoy ny fanambaran’izy ireo ny asabotsy teo. Nanterin’izy ireo fa tsy nangalatra, tsy namono olona, tsy nandatsa-dra olona, tsy nanolana na nanao kolikoly ireo namany ireo. « Niafara eny amin’ny Pac ny raharaha ary izao nampidirana am-ponja azy valo mpiara-miasa izao », hoy izy ireo. Efa nisy nahazo sazy, ary nanao fampiakarana ny sasany. Eo koa ireo nanao fandravana didy ka miandry didy amin’ity anio ity. Antony hanaovan’izy ireo izao antso avo fitarainana izao mba hijerena akaiky ny zava-misy, araka ny fanambarana.
Voatanisa amin’izany fa miasa amin’ny toeram-piasana tsy ara-dalàna, tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy, ny mpandraharahan’ny fonja. Ny fotodrafitrasa ratsy sy simba avokoa, ireo voafonja tsy mitsahatra mitombo hatrany, ny fampitaovana tsy zarizary ary ny mpiasa tsy ampy. « Fanagadrana, famonoana sy famotehana avy hatrany raha misy ny accident de travail kely mahazo ny mpiasa na faute professionnelle, na hadisoana »’, hoy ny mpandraharahan’ny fonja.
Lasa fitaovana ireo mpitsara sasany
Tokony hiditra amin’ny « Codis » raha misy ny fahadisona arakasa. Manamarina na mandiso ny tranga nisy ny fanaovana izany.
Etsy andaniny anefa, lasa natao fitaovana hamonoana sy hamotehana ny fiainan’ny mpandraharahan’ny fonja ny mpitsara mpiara-miasa akaiky nefa sady minisitera iray amin’izy ireo ihany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. « Tena mampalahelo sy mahakivy izany », hoy izy ireo.
Synèse R.




