Miahiahy ny ain’ilay vahiny voasaringotra amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpisolovava azy, Rafidison Eric. Nambarany fa takiny hatrany ny hiarovana an’ilay tompon’ny orinasa Udaan aviation, Khuhwinder Singh. « Tsy jiolahy ny olona arovanay », hoy ihany izy. Tsiahivina fa miisa 22 ireo nampidirina am-ponja amin’io raharaha io.
Nampiaka-peo ny avy amin’ny mpanohitra, HVM, tarihin-dRakotovao Rivo, fa miray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena ny HCC. « Tsy manana finiavana hanara-dalàna mihitsy ny mpitondra ka manao ny fomba rehetra hanatanterahana ny fifidianana », hoy izy.
Naseho horonantsary amin’ny facebook ny traikefan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Natao, omaly tamin’ny kaonty FB an-dRija Randriamalalaniaina izany. Hita amin’izany ny dingana sy ny fahombiazan’ny mpanorina ny Tiko sy ny Tim. Ny fanalahidin’izany ary koa ny fahaiza-manaony, araka ny famintinan’ny nanatontosa azy.
Nanambatra ny heriny ny fikambanana AFF, tarihin-dRavatomanga Haingo, tamin’ny fanatanterahana hetsika fizarana « Kits scolaire » maimaimpoana. Nambarany fa tanjona ny hanohanana ireo fianakaviana sahirana. Natao tetsy amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny zoma teo, ny dingana voalohany. Nitohy teny Analamahitsy sy ireo boriborintany hafa izany avy eo.




