Barean’i Madagasikara : Homena villa tsirairay ny mpilalao

Tonga an-tanindrazana ny Barean’i Madagasikara, omaly. Noraisina ta­min’ny fomba ma­ne­triketrika izy ireo. Notoloran’ny fitondram-panjakana villa tsirairay avy ny mpilalao sy ny mpanazatra.

Miavaka! Tafaverina omaly, teto an-tanindrazana, ny ekipa na­sio­naly Barean’i Madagasi­ka­ra, izay avy niatrika ny “Chan 2024”, tany Kenya, Ouganda, Tanza­nia, ny 1-30 aogositra lasa teo. Rehefa tonga teny amin’ny Kianja Barea Maha­ma­sina ireo mpilalao sy ny Staff, nisy ny fa­nomezana mi­avaka nampahafantarin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ho azy ireo, teo imason’ny vahoaka.
Nisongadina tamin’izany ny fanomezana villa tsirairay avy ho an’ireo mpilalao sy ny mpanazatra. Raha ny fanazavana voaray, omaly, hatsangana eny amin’ny toerana ma­lalaka, akaikin’ny “Auto­route” Ambohimanga izany ary ha­nomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fananganana ny fotodrafitrasa.
«Nampiray ny Malagasy iray manontolo ianareo. Na tsy nitondra ny amboara aza, mpandresy ianareo amin’ny Malagasy rehetra. Nametraka tantara ho an’ny firenena sy ny baolina kitra ianareo. Efa tsapa sy hita taratra ankehitriny fa ho lasa alavitra ny baolina kitra. Tsy maintsy lasa alavitra isika, ary izay no nanaovana izao Kianja Barea izao. Fantatra ihany koa izao fa tsy azo ambaniana isika amin’ity taranja baolina kitra ity.» hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.

Fitsenana makotrokotroka!
Noraisin’ny Malagasy ta­min’ny hafaliana sy fety ary tamin’ny fomba manetriketrika ny Barean’i Madagasikara, izay nandrombaka ny medaly volafotsy, nandritra ny “Chan 2024”, iny. Nanomboka teny Ivato, toerana izay nahatongavan’izy ireo ka hatrany amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nafana tanteraka ny fitsenana.
Olona aman’aliny nampiseho fankasitrahana, tamin’ny orakoraka sy tehaka, ho an’ireo Malagasy mpilalao baolina kitra, nitondra avo ny firenena ireo. Nisy tamin’ireo olona no nilaza fa manome fifaliana ary mendrika ny hanaovana hetsika tahaka izao, raha ny zava-bitan’ny ekipa nasionaly malagasy tamin’ireny fifaninanana ireny.
«Ny Barea, nampahafantatra an’izao tontolo izao fa manana talenta ny Malagasy, ary naneho tamin’ireo olona maro ihany koa fa mahay miray hina isika rehefa amin’ny lalao toy ireny.» hoy i Sahondra, vehivavy mpankafy ny Barea Chan.

Hatsaraina ny fifaninanana
Ankoatra izay, nilaza ny filohan’ny CFEM, Rakotoari­manana Henintsoa, na i Tôta, tetsy Ivato, omaly, fa efa hita taratra tsara ny haavo teknikan’ireo Malagasy mpilalao, ho eritreretina amin’izay ny ha­natsarana ny fifaninanam-pirenena PFL eto Madagasi­ka­ra amin’ny taom-pilalaovana manaraka.
Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalao mifanintsana amin’ ny “PurePlay Football League” (PFL) avokoa ireo nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo.

Resy amboninahitra
Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, tany Nairobi Kenya, ny asabotsy lasa teo, hita ho tsy nitsanga-menatra ny Barea manoloana ny Lion de l’Atlas Maroc. Resin’i Maroc tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Malagasy. Tsara ny mampahafantatra fa ny ekipam-pirenena Barea no nanakobana ny harato voalohany, tamin’ny alalan’i Fely, ny minitra faha-9 nilalaovana. Nosahalain’i Mehri, Maroka­nina mpilalao, ny minitra faha-27. Taorian’io, nanatombo ny isa ho 2 no ho 1, i Oussama Lamlioui, lohalaharan’i Liona Marokanina, 39 min. Teo amin’ny fidirana faharoa, nosahalain’i Toky ny isa teny amin’ny solaitrabe, ny 68 min. Folo minitra tsy hiravana, nanokatra ny lalan’i Maroc, haka ny amboara, i Lamlioui, ka niafara tamin’io isa 3 no ho 2, io ny fihaonana, na dia niezaka nanenjika ny isa aza ny Barea.
Nahavita ezaka lehibe ny Barea Chan, tamin’ity taona ity. Laharana faharoa izy ireo, ary tsara ampahatsiahivina fa nahazo ny medaly alimo, ny malagasy, ny taona 2023, “Chan 2022”, izay natao tany Algerie.
Misy mpilalao fito, amin’ireo Barea Chan ireo, nanainga omaly alina, hamonjy an’i Maroc, hiatrika ny fifanintsanana Mondial 2026.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: