Mbola miredareda ao am-pon’ny Malagasy 32 tapitrisa sy ireo mpiray tanindrazana mila ravinahitra manerana izao tontolo izao, ny dingana vitan’ny Barea de Madagascar, tamin’ny Chan 2024. Na tsy nitondra amboara nody aza, niravaka laza sy dera. Tsy ny teto Afrika ihany fa maneran-tany mihitsy. Nidera ny fahaizan’ny Barea ireo manam-pahaizana mpamakafaka baolina kitra ao amin’ny Canal Plus. Sitraka sy telina ê, lehibe tokoa ianareo ka tsy telina. Fankasitrahana manokana ho an’ny coach Rôrô sy ny ekipa teknika rehetra fa ianareo no vovonana iadiany lohany, varivary andrian’ny tafo. Raha tsy teo ianareo, tsy nisy ireny vokatra ireny. Lehibe tokoa ianareo ka tsy telina. Niondrika teo ambony kianja ny Barea fa mitraka eo anoloan’ny rehetra. Tena nirehareha manana anareo ny vahoaka, tsy miantehitra amin’ny hazo boboka. Ombalahy be tandroka tokoa, tsy mifidy tany hiadiana. Tsy ombalahy jamba akory ka manoto ny miarina sy manosy ny mandry fa tandroka aron’ny vozona marina.
Raha rivotra hanimba voly tokoa i Afrika, inareo natao foto-kazo fanongotra. Raha avandra hiraraka i Maroc, ianareo natao tanetibe fielezana. Raha fanala hamotsy ireo mpampiantrano, ianareo natao ravin-kazo fandazo ary raha varatra iriatra ireo mpanatsatso, ianareo natao vatolampy azo handihizana. Lasa fanta-daza ilay Nosy mena, noho ianareo. Midorehitry ny fitiavan-tanindrazana nampitambatra ny tsy mitovy fijery. Koa arahabaina sy mankasitraka. Ny herim-ponareo, tsy ataonay sitraka andro hanaovana tahaka ny tongotr’omby mihosy fa ho siraka enti-matory, ho valiana raha mahatsiahy. Lehibe ianareo zalahy ka tsy telina â !
Tompondaka




