FANTINA sy FINTINA

Niantso ny mpitondra hiala amin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena ny hafatry ny eveka tany Morondava, ny alahady teo. « Ampiasaina hoentina mitia sy manompo ny mpiara-belona ny fahefana fa tsy ho amin’ny fitiavan-tena », hoy izy ireo. Tsiahivina fa naharitra telo andro ny hetsiky ny vovonan’ny olon-dehibe, eo anivon’ny Ekar.

Hiompana eo amin’ny fizahantany sy ny fifanakalozana ara-barotra ny ho fifandraisana eo amin’ny Kolombia sy i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny praiminisitra Ntsay Christian ny filoham-pirenena lefitra kolombianina, Francia Marquez, teny Mahazoarivo, ny herinandro teo.

Nitohy tany Andapa sy Sambava ny fanofa­nana ireo ben’ny Tanàna any avaratry ny Nosy. Nia­trika izany ny kestoran’ny Antenimierandoholona, Mino Seramila. Nanomezana fahalalana sy fampitaovana ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny kaominina ny fanofanana, ho fototra ijoroan’ny fitondrana tsara tantana. Efa nahavita ny azy kosa ny tany Antalaha.

Tanjon’ny VMMM ny hampitomboana hatrany ny tahan’ireo ankizy miditra an-tsekoly, amin’ny alalan’ ny fivarotana amin’ny vidiny mora ireo kojakojam-pianarana. Hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Anisan’ny nisitraka izany ny teny Ambatofotsy Gara, lalam-pire­nena faha-7, ny sabotsy teo.

Partager sur: