Na dia tsy nandrombaka ny fandresena teo amin’ny famaranana aza ny ekipa malagasy, nandritra ny fifaninanana “International Basketball 3×3”, tsy mitsanga-menatra, satria voafidy ho mpilalao mendrika ny Malagasy mpilalao, Ratianarivo Livio. Ity mpilalao ity izay laharana voalohany amin’ny basikety eto Madagasikara. Tsiahivina fa tontosa tany Russie, ny faran’ny herinandro teo, izany ka laharana faharoa no nisy an’i Madagasikara, rehefa resy 21 no ho 19, nanoloana ny ekipan’ny Kurtsatov avy ao Russie. Tsara ny manamarika fa i Madagasikara irery no ekipa afrikanina nifaninana tamin’ity, tamin’ireo ekipa 12 nilalao. Ekipa Rosianina avokoa no betsaka tamin’ireo ekipa nifaninana izay tena mafy avokoa. Na izany aza, manana ny lentany ny Malagasy mpilalao ka afaka nilahatra tamin’ireo kalaza.
Mi.Raz




