Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy D1. Nivoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny an’ny Besarety sy ny FTFA Antohomadinika. Tamin’ny isa tery, 15 no ho 13 no nisarahan’ny roa tonta. Niady ny lalao ary nifamaliana hatramin’ny farany ny fanafihana teo amin’ny ireo mpikatroka.
Fileovana anisan’ny misongadina indrindra eto Madagasikara ny roa tonta, ary ahitana ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar. Anisan’izany ry Jinah kely sy i Ericka ary Yvanah ho an’ny Besarety raha i Sosoa sy i Nandrianina miampy an’i Grande sy i Mialy kosa no ao amin’ny FTFA. Nifampitana tamin’ny tanjaka ny andaniny sy ny ankilany. Nampiseho ny fahaiza-manaony ireo mpilalao isanisany. Efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana vao nivoaka ho mpandresy ry Jinah kely tamin’ity. Hifanandrina amin’ny RCTS Soavimasoandro, tarihin-dry Vero sy Vachily ary Sophie, nandresy ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 29 no ho 25 izy ireo.
Teo amin’ny lehilahy indray, tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa (Bebaoty), ny Tam Anosibe. Tamin’ny isa 56 no ho 31 no nisarahan’ny roa tonta. TFA Anatihazo indray resin’ny FTM, tamin’ny isa 39 no ho 34.
Tompondaka




