SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Madagascar International BJJ”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Ady goavana indrindra amin’ity taona ity io fifaninanana io. Misokatra ny 8 septambra izao ny fisoratana anarana ary mifarana ny 6 oktobra.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana rezionaly ho an’ny ligin’i Boeny, taranja karate. Tao amin’ny Dojo GSM Marolaka no nanaovana izany ary ny ligin’i Boeny no nahavita ny azy voalohany. Hanatanteraka izany amin’ity volana septambra ity avokoa ny ankamaroan’ny ligy hafa.

Ny Judo club Esca no nahazo ny laharana voalohany nandritra ny “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo, natao tany Toliara, ny herinandro lasa teo. Klioba sangany eto Madagasikara ity klioba ity ary tsy mbola lefy laza hatreto, nandritra ny fifaninanana rehetra natrehiny.

Partager sur: