Hiova endrika manomboka amin’ny fifaninanam-pirenena 2025/2026 ny kianja CFFA Andoharanofotsy. Hisy “tribune” sy “vestiaire” ary voafefy ny manodidina ny kianja filalaovana. Hanomboka ny 10 septambra ho avy izao ny asa fanamboarana, araka ny nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny ligin’Analamanga
Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny ligin’Analamanga, sady mpitantana ny klioba CFFA tamin’ny mpanao gazety, teny Andoharanofotsy, omaly, fa hapetraka eo amin’ ny kianja CFFA Andoharanofotsy ny “tribune” sy ny “vestiaire”. Notsiahiviny fa taorian’ ny vokatra azo, nandritra ny Chan tamin’ny 2023 no nametrahana ny bozaka. Taorian’ny fahazoana ny laharana faharoa, tamin’ny “Chan 2025” rehefa nifampiresaka tamin’ny filoham-pirenena dia hatomboka ny asa amin’ny fanatanterahana izany. Hanomboka ny 10 septambra ho avy izao ny fametrahana ny vatofototra. Ankoatra ireo, hisy koa ny famefena ny kianja filalaovana. Ezahina ho vita mialoha ny fanombohan’ny fifaninanam-pirenena, amin’ny faran’ ny volana oktobra ho avy izao, ireo rehetra ireo. Nisaorany manokana ny filoham-pirenena satria ny fananana ireo kianja maro napetraka manerana ny Nosy no nahazoana ireny vokatra ireny.
Ankoatra izay, nomarihiny fa anisan’ny miala vola betsaka amin’ny fikarakarana ireo mpilalao ny filohan’ny klioba nefa tsy mba voatonona na nisaorana. “Tsy mitaky prize money izahay fa ilay tsy fanomezan-danja anay mihitsy no mampalahelo. Raha ravanay ireo klioba ireo, tsy misy izany Chan 2027 izany”, hoy izy. Nasiany tsindrimpaingotra fa rehefa misy ny vokatra tonga daholo ireo orinasa sy mpanohana fa ao anatin’ny fifaninanana, tsy misy hita manome tanana na fanampiana.
Ny amin’i Lalaina indray, nambaran’i Tôta fa nanomboka ny alatsinainy 1 septambra no efa tsy mpilalaon’ny CFFA intsony izy fa efa vita fifanarahana amin’ny Paradou AC Algerie.
Tompondaka




