Hetsika Rohy : Mila hatsaraina ny fanabeazana olom-pirenena

“Misy fanatsarana tokony hatao koa eo amin’ny fanabeazana olom-pirenena momba ny fifidianana”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Hari­jaona, ny amin’ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana ho amin’ny fandatsaham-bato manaraka. Eo koa ny amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana amin’ny ankapobeny. Fantatry ny rehetra fa noho ny fahasahiranana lalina eto amin’ny firenena, matetika tsy afa-misaina intsony ny olom-pirenena hoe: ahoana ny fifidianana marina? Eo koa ny amin’ny hoe: ahoana ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana? Satria ny hohanina anio, tadiavina anio na rahampitso.
Ao anatin’ny fahasahiranana izay ny olona, matetika mora voarebireby amin’izay azo kely na entina mody rehefa amin’ ny fotoam-pifidianana. Amin’izany, toy ny voavidy ny safidy amin’ny fanaovana latsa-bato. Noho izany, mbola mila fiezahana ny fampiakarana ny lentan’ny fanabeazana olom-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana. Maro ny ezaka tokony hohatsaraina. Na eo amin’ny fanabeazana olom-pirenena amin’ny
fiatrehana fifidianana izay, na amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Amin’izao fotoana, efa nanolotra sosokevitra ny tomponandraikitra mahefa eo anivon’ny Ceni ny hetsika Rohy. Hifampizarana amin’ireo mpiantsehatra politika isan-tsokajiny izay: inona ny fanatsarana tokony hoentina amin’ny lalàm-pifidianana? Amin’ny hahazoana manao fifidianana marina izany, araka ny fanazavany.

R. Nd.

Partager sur: