“Anisan’ny mampalahelo ny fitsikerana tsy araka ny tokony ho izy ny zava-mitranga rehetra eto amin’ny firenena. Fantatra fa izay no asan’ny mpanohitra”. Io ny nambaran’ ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly, ny amin’ ny resabe atao sy voizin’ny sasany hoe tsy tonga tamin’ny fodiamandry ny vadin’ny filoha teo aloha, Ratsiraka Céline, ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. Na eo aza izay fitsikeran’ny mpanohitra izay, tokony hipetraka hatrany ny hoe soatoavina. Anisan’ny mampalahelo ny Malagasy ny fahalasanan-dRtoa Ratsiraka Céline, renin’ ny Malagasy nandritra ny taona maro: nikarakara ny vahoaka malagasy. Nametraka mamy ihany koa ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy.
Nohazavainy fa vao nandre ny vaovao fahalasanan-dRtoa Ratsiraka Céline ny fianakaviana Rajoelina, indrindra Rtoa vadiny: nandray ny fanapahan-kevitra rehetra ary nifandray tamin’ny fianakaviana. Fantatra fa anisan’ny nampidirina ary nomena fahatokisana tao anatin’ny governemanta teo aloha ny solombavambahoaka amin’izao, Ratsiraka Sophie. Anisan’ny niara-nitantana tao anatin’izany governemanta izany izy. Amin’izao fotoana izao, mbola anisan’ny miara-manasoa ny vahoaka malagasy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny maha solombavambahoaka azy. Tsy nanatrika ny famangiana sy fitsapana alahelo teto an-toerana tamin’ ny fodiamandrin-dRtoa Ratsiraka Céline ny vadin’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Mialy, fa tsy teto an-toerana.
R. Nd.




