Atletisma – Mada 2025: Atleta mendrika i Flaurentine sy i Eric Justin

Nisongadina ny atleta avy amin’ireo ligim-paritra nandritra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, ny faran’ny herinandro teo. Norombahin’izy ireo avokoa ny amboara ho an’ireo atleta mendrika. Lasan’i Flaurentine ho an’ny vehivavy ary i Eric Justin, teo amin’ny lehilahy.

Tontosa teny amin’ny Kianja Alarobia, ny 29 hatramin’ny 31 aogositra lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja atletisma “sur piste”, sokajy rehetra. Fi­haonana nokarakarain’ny Fe­derasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Nisongadina ny zava-bitan’ireo avy any amin’ny faritra. Voahosotra ho atleta mendrika ho an’ny vehivavy Razanamandroso Flau­rentine, avy amin’ny klioba Caf Matsiatra Ambony ary i Eric Justin, avy ao amin’ny Ajat Atsimo Andrefana, teo amin’ny lehilahy.
Niavaka ny zava-bitan’izy mianadahy ireo, na tsy nisy aza ny zava-bita montsana tamin’ity.
Ho an’i Flaurentine, nahavikina 6,08 m izy teo amin’ny vikin-dava ary nahazo isa 1004. Ny an’i Eric Justin indray, vitany tao anatin’ny 10 s 5 % ny 100 m. Nahazo isa 1040 ny tovolahy.
Na teo aza ireo, mbola notazomin’ny ligin’Anala­manga ny laharana voalohany, tamin’ny fandrombahana ny medaly volamena. Fa­haroa, Atsimo Andrefana ary fahatelo i Matsiatra Ambony. Nambaran-dRaherison Domi­nique, filohan’ny Federasio­nina FMA, tonga nanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, fa mahavelombolo ny vokatra. Maromaro ny fe-potoana nihatsara na tsy mbola nisy aza ny montsana. Nisongadina ny zava-bitan’ireo atleta zandriny, indrindra fa ireo avy any amin’ny ligim-paritra.
Nahatonga atleta avokoa tamin’ity fifaninanam-pirenena ity, ireo ligim-paritra miisa 14. Nahitana mpifaninana daholo ny “épreuves” rehetra. Din­gana manaraka ho an’ny federasionina ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Japon, ny 13 ka hatramin’ny 21 septambra, ka hisolotena an’i Madagasikara amin’izany i Fiadanantsoa Sidonie, hihazakazaka ny 100 m misy fefy.

Tompondaka

Partager sur: