Nanao tatitra ny atrikasa tombana natao tany Mahajanga, teny Alarobia, ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Voaresaka koa ny fakan-kevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana.
“Misy hatrany ny ambana amin’ny zotram-pifidianana. Ny tombana natao no nahitana an’izay ambana izay. Nefa tsy mijanona tamin’ny atrikasa tany Mahajanga ny asa. Hodinihin’ny eo anivon’ny sekretaria mpanatanteraky ny Ceni ireo ambana rehetra sy ny antony nahatonga izany”. Io ny fanazavan’ny Tonia nasionaly mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Tseheno, teny Alarobia, omaly. Ambana avy amin’ny fomba fiasa sy ny mpisehatry ny fifidianana ary ny fihetsiky ny mpanao politika izany. Araka ny And. 61 amin’ny lalàna 2015-020, raha mahatsapa ny Ceni amin’ny faran’ny taom-pikatrohana fa misy fanovana tokony hatao amin’ny lalàm-pifidianana, tsy maintsy manolotra soso-kevitra amina tatitra hafa amin’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena ny filohany, arakaraka ny fanovana. Noho izany, azon’ny Ceni atao ny manolotra soso-kevitra hanitsiana na hanovana ny lalàm-pifidianana.
Hampiana ireo fehin-kevitra nalaina tamin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana miisa 333 ny tolo-kevitra tany Mahajanga. Momba ireo zotram-pifidianana vita no nanoloran-kevitra: fifidianana filohan’ny Repoblika, depiote, ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Izay no hodinihin’ny Ceni. Aorian’izay, hisy ny fihaonam-paritany telo handinika ireo hevitra hitan’ny Ceni sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fifidianana. Hisy ny atrikasa nasionaly hiarahan’ny mpisehatra rehetra. Izay fehin-kevitra amin’izany no hoentin’ny filohan’ny Ceni any amin’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena. Tsy miala amin’ny didy aman-dalàna mifehy azy ny Ceni, ary mandray ny fepetra sy ny andraikitra rehetra nomen’ny lalàna hahazoana manatsara ny zotram-pifidianana hialan’ny ahiahian’ny mpisehatra rehetra.
R. Nd.




