Tsipy kanetibe : Tsy afa-bela tamin’i Italie ny Malagasy

Notanterahina omaly, ny dingana fahafito farany, mialoha ny Final four, amin’ny Masters, taranja tsipy kanetibe. Nam­piantrano izany ny Levallois-Peret France. Nihintsana teo amin’ ny dingana ampahefa-dalana ny Malagasy, nahitana an’i Zigle sy i Tianakely ary i Yves. Resin’Italie, tamin’ny isa 13 no ho 9. Tsy mbola afa-bela tamin’Italie indray ny Mala­gasy ta­min’ity. Raha tsiahivina, in’efatra ny nihaonan’ny roa tonta, nanomboka tany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 ka hatreto amin’ity Masters 2025 ity.
Raha hiverenana ny lalao natao omaly, nitarika tamin’ny isa 3 no ho 0 i Italie, avy eo nihoaran-dry Yves, 4 no ho 3. Tsy nijanona teo fa nitarika hatrany amin’ny 9 no ho 3 ny Mala­gasy. Nitsatoka teo anefa ry Zigle fa tsy nihetsika intsony. Tetsy ankilany, nahazo isa 5, avy eo nahazo isa 4 indray maka ny italianina, ka lasa 12 no ho 9 ny isa. Taorian’io, niezaka nanohitra ny Malagasy saingy nanatombo teo amin’ny isan’ny kanety ny italianina ka voatery nitifitra ny bosoa i Zigle sy i Yves saingy tsy nivoaka ny kianja izany. Rehefa tsy na­homby izany, tsy maintsy nampiditra isa i Tiana kely. No­ti­firiin’i Cocciolo izany ka nibatany ny fandresena. Fahadi­soana taktika ny nahavoa ny ekipa malagasy. Na resy aza nefa ry Zigle, efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny Final four.

Tompondaka

Partager sur: