Maro ireo olona maneho fisaorana ho an’ny mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara, izay niatrika ny “Chan 2024” teo. Noho ny vokatra tsara azon’izy ireo, nasain’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson, naira-nisakafo taminy, teny amin’ny toeram-pisakafoana Haka Fy Restaurant, Andohalo, ny Barea, omaly.
Voninahitra ho an’ity toeram-pisakafoana ity ny nandray ireto maherifon’ny Malagasy ireto, ary midera ny zava-bitan’izy ireo ny tompon’ny Haka Fy. Tsiahivina fa nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny Chan, ny ekipa nasionaly malagasy. Ankoatra izay, nanolotra fanomezana goavana ho an’ny Barea ny AFG Bank. Notolorany lelavola mitentina 60 tapitrisa Ariary ny delegasionina malagasy niatrika ny Chan.
Nambaran-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, omaly, fa ireny aloha ny vokatra azo sy tratran’izy ireo, saingy mbola hiezaka ihany ny handrombahana izany, amin’ny andiany manaraka. Tsy hadinon’ity teknisianina ity moa ny nisaotra ny Malagasy rehetra, izay nanohana sy niara-nifaly tamin’ny Barea, omaly.
Fitia Randria




