Manana solontena mirahalahy i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, eo amin’ny sokajy Kata Junior sy Senior, izay tontosaina any Maorisy. Rasoahoby Dody Avana Fitahiana sy Rakotomihanta Andrianamboninolona Manjaka no miaro ny voninahi-pirenena amin’izany.
Nanomboka omaly, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, lahy sy vavy, dingana faharoa sy farany. Lalao 9 avy hatrany no notanterahina omaly, ka lalao dimy ny teo amin’ny sokajy lehilahy ary efatra ny teo amin’ny sokajy vehivavy.
Noraisin’ny mpikambana avy eo anivon’ny Malagasy Rugby, omaly, ireo tsara sitrapo japoney, i Matsumiya Ryutaroh, izay hisolo toerana an’i Akio Imai. Hiara-hiasa amin’ny Malagasy Rugby mandritra ny roa taona amin’ny fanohizana sy fanamafisana ireo tetikasa fanohanana ara-teknika sy fanofanana ara-panatanjahantena izy.
Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny “Traceur Gasy Jam”, eny amin’ny Tanà Water Front Ambodivona. Hetsika tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny “Festival Alefa Parkour”, andiany faha-4. Hitohy amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izany rahampitso sabosy 6 sy alahady 7 septambra, izay hatao eny amin’ny zaridainan’ny Farihin’Anosy.




