Tsy hanova zavatra lehibe ny tsy fahafenoan’ ireo mpifidy vaventy, araka ny nambaran’ny Ceni teny Alarobia, afakomaly. « Vitsy ireo kaominina tsy manana ben’ny Tanàna, anisan’ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona », hoy izy ireo. Efa mahazatra ary misy hatrany ny fahaverezan-jo amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’izy ireo.
Voatendry ho talen’ny fanaraha-maso ny valanaretina (DVSSER) ny Dr Raseheno Harinirina. Fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo izany ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsiahivina fa nisahana izany andraikitra izany ary efa nesorina ny Dr Nivoarisoa Manuella Vololoniaina noho ny fanambarany ny « Raharaha Ambohimalaza ».
Nirary hatrany ny fandresena ho an’ny Barea ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Na izany aza anefa, nohitsiny fa mila jiro ny vahoaka.
« Ilaina izany ahafahana miasa fa tsy natao hijerena ny lalaon’ny Barea fotsiny », hoy izy. Nambarany fa manapaka ny fivelomana ny delestazy lavareny tsy ahitam-bahaolana.
Hifamory eny amin’ny biraon’ny FTar ireo mpisehatra amin’ny taxi eto an-dRenivohitra, anio. Anisan’ny hodinihin’izy ireo amin’izany ny fihaonana tamin’ny kaominina (CUA) sy ny tolokevitry ny FTar manoloana ny vola hotakina amin’ireo taxi. Horaisina amin’izany koa ny fitarainana sy ny vahaolana eo amin’ io sehatrasa io.




