Efa samy manoman-tena hiatrika ny lalao karakarain’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) avokoa ny ekipa roa solontenan’i Madagasikara, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Manana vina ny ho tafita lavitra amin’ity fifanintsanana afrikanina ity ny roa tonta, saingy hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ny toerana handraisan’izy ireo ny lalao hataony.
Hotanterahina eny amin’ny CGM Analakely, ny 20 sy 21 septambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, ho an’ny sokajy vehivavy sy Vétérans. Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny lafiny teknika sy ny loka hozaraina.
Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Raha ny voka-dalao omaly, anisan’ny nifandona ny RCB Boeny sy ny COSPN Analamanga, ka resin’ity farany tamin’ny isa mavesatra 101 no ho 64 ny RCB B. Teo amin’ny vehivavy kosa, anisan’ny nihaona ny GNBC sy ny Fandrasa ka lavon’ny zandary tamin’ny isa 92 no ho 24 ny Fandrasa.




