Nahazo fotodrafitrasa maro i Morondava. Tonga nitokana izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.
Biraon’ny fitaleavam-paritry ny asa, biraon’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka misy efitra 22, lalana rarivato 1,6 km Andakabe-Andabatoara, EPP manara-penitra misy efitra 24, kianja manara-penitra mahazaka olona 4 000… Ireo no notokanan’ny filoha Rajoelina Andry niaraka tamin’ny delegasionina notarihiny, tany Morondava, Faritra Menabe, afakomaly. Nisy hatrany ny kabary tamin’ny fanolorana ireo asa vita. “Izay no hoe mandroso i Madagasikara, rehefa misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka ny fampandrosoana entina”, hoy izy nitokan-dalana. Mbola hotohizina amin’ny lafiny rehetra izany.
Tsy eny anivon’ny “Facebook” no itondrana taratra ny fampandrosoana fa eny an-kianja, raha ny nambarany momba ny EPP vaovao nandravana izay niorina tamin’ny 1906. Mendrika hianatra ao anatin’ny fotodrafitrasa maoderina ny zanaky ny Malagasy. Tsy hoe sekolim-panjakana dia atao tsirambina, mbola tsara no ho ny eny amin’ny sekoly tsy miankina. Mba voaray avokoa ny mpampianatra rehetra ao anatin’ny telo taona hamaranana ny fe-potoam-piasana. Dingana lehibe mankamin’ny fitantanana manakaiky vahoaka no vita ny amin’ny Biraon’ny fitaleavam-paritry ny asa. Ao anatin’ny hoe fitondrana tsara tantana sy mangarahara, ao anatin’ny hitsiny ary ho lavitra ny kolikoly. “Manangana sy manorina fotodrafitrasa manaiky sy ilain’ny vahoaka isika”, hoy izy momba ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka. “Tsy afa-ko tonga amin’ny tanjona irina isika raha tsy manana fitsipi-pifehezana. Na amin’ny fitantanana firenena io, na eo anivon’ny tokantrano, na eo anivon’ny fiarahamonina na amin’ny fanaovana fanatanjahantena”. Izay kosa no nambarany tamin’ny fitokanana ny kianja manara-penitra.
R. Nd.




