Fa na beazana…

 

8 septambra, Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny firenena. Eo ny hoe ny tsy fahalalana ny tsy fahalalan’ny tena no tsy fahalalana voalohany. Ilaina mandrakariva ny mianatra, mahay… 8 septambra, fidiran’ny mpianatra koa amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Amin’ny fotoana toy izao, mampikaikaika ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ny enti-manana: saram-pisoratana anarana, fampitaovana… Mba te hitovy amin’ny hafa. Nefa misy koa ny manontany tena hatrany hoe: mianatra dia ho aiza, haninona… ? Saika fiteny mandrakariva ny hoe loha tsara tefy no ilaina, fa tsy loha feno tsara.
Na ahoana na ahoana, efa miova amin’izao ny fomba fampianarana noho ny fihazakazaky ny haitao? Tsy izay mahay miantsary an-tsaina ny 2 + 2 = 4, ohatra, no lazain’ny sasany hoe mahay kajy, fa izay mahay mampiasana ny masinina fikajiana. Efa mby amin’izany, ohatra, izay ianarana sy ny fomba fampianarana amin’izao? Adihevitra izay. Toy ny hoe mamoaka olona toy inona tokoa ny fampianarana sy fanabeazana amin’izao? Mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa, mahasehaka amin’ny filana eo amin’ny fiainana andavanandro, mampivoatra ny maha olona araka ny vanim-potoana… Mbola adihevitra koa izay.
Na ahoana na ahoana koa, hafa ihany ny mianatra, mahay. Izay no mahatonga ny ray man-dreny tsy miroa fo sy saina amin’ny fampianaran-janaka. Ny fianarana no hoe lova tsara indrindra. Tsy ny mianatra no inona fa izay vokatry ny fianarana sy ny fiafarana? Toy ny hoe tsy ny mandeha no inona fa miafara aiza ary inona ny vokatra. Fa na beazana toy inona aza, fatiantoka ho an’ny tena sy ny firenena rehefa tsy mitondra vokatra tsara na ratsy fiafara, sanatria. Fieritreritra izany amin’izao? Fiaingana vaovao…

R. Nd.

Partager sur: