Fifanintsanana Mondial 2026: Vonona haka isa 3 indray ny Barea

Hifantoka atsy Maroc daholo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra anio. Hotanterahina any mantsy ny andro fahavalo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, sokajy I. Hifanandrina amin’izany ny Barean’i Madagasikara sy Tchad. Vonona haka isa telo indray ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Na izany aza, nambaran’i Corentin Martins, mpanazatran’ny Barea fa tsy mora ny hiandry azy ireo fa mbola lalao mafy. Nanaporofo izany hoy izy ny ady sahala nataon’i Tchad tamin’i Ghana. Etsy ankilany, naneho ny fahavononany tanteraka ireo mpilalao rehetra araka ny tafa fohy nataon’i Rayan, kapitenin’ny Barea.
Tsiahivina fa mitana ny laharana faharoa amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar manana isa 13. Mbola mitarika vonjimaika hatrany kosa ry zareo Ghana nahazo isa 16. Fahatelo, i Mali ary fahefatra i Comores, manana isa 12 avy. Fahadimy ry zareo Tchad, tsy nahazo afa-tsy isa 1. Tchad izay efa tsy manana herijika ny ho tafita intsony. I Maroc kosa no firenena afrikanina voalohany tafita amin’ny “Mondial 2026”.

Tompondaka

Partager sur: