Filoha Rajoelina Andry : “Tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana aho”

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny mpikambana amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara. Nohamafisina tamin’ny dinika ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana malagasy.

“Ny tenako manokana dia anisan’ny mpitantana tena manaja ny fitsarana, tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana mba hahaleo tena ny fitsarana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly, tamin’ny fihaonany tamin’ireo mpikamban’ny CSM. Rehefa misy raharaha iray na roa hita fa tsy manaraka amin’izay didim-pitsarana tena tokony havoaka, izay vao misy fifampidinihana amin’ny minisitry ny Fitsarana momba izay. Tsy manao fanelanelanana eo anivon’ny fitsarana izy.
Ny fananana mpitsara mahaleo tena na tsy mitanila, lavitry ny kolikoly, manana fahendrena sy fahamendrehana, indrindra ny fitiavan-tanidrazana. Izany no tena ilaina hitsinjo ny vahoaka, indrindra akaiky ny rariny eto amin’ny firenena. Antoka omena ny olom-pirenena tsirairay avy ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Mba ho voaaro ny zon’izy ireo ary ho voavaha amim-pahamarinana ny raharaha tsaraina. Betsaka ny mpitsara tena manao ny asany, ary ampaherezina izy ireo.
Fototra iankinan’ny fitsarana ny CSM ao anatin’ny hoe fitsarana mahaleo tena sy marina, indrindra hahomby. Araka ny lalàna, izy no mitandro ny fanajana ireo fepetra voalazan’ny sata mifehy ny mpitsara, miantoka ny fitantanana ny zotran’ny asam-pitsarana. Manapa-kevitra momba ny fanendrena ny fisondrotana ary ny famindran-toerana ireo mpitsara manerana an’i Madagasikara. Noho izany, arofanina sy afa-manitsy, indrindra amin’ny fametrahana fitsarana hoe tena madio sy iankinan’ny vahoaka mba hatokisany azy. Miantoka ny fampiharana ny fitsipika momba ny fitondran-tenan’ny mpitsara sy ny fehezan-dalàna mifehy azy.

R. Nd.

Partager sur: