Samy mila Vatsy tsinjo

Manomboka maresaka ny tanàna! Miditra mianatra rahateo ny mpianatra. Miverina amin’ny fomba fiaina mahazatra amin’izay ny sarambabem-bahoaka. Miverina ny fifohazana maraina, ny fanenjehana fiara fitateram-bahoaka, indrindra ny fanaterana sy fakana mpianatra. Soa ihany fa somary voafehy ny fitandroana ny filaminana, mbola tsy miova ny saran-dalana.
Ny vidim-piainana efa iarahan’ny rehetra mizaka ny fidangany. Toa efa tsy mahataitra intsony ny mponin’Antananarivo izay fiakarana. Tsy misy tranga mampihetsi-bolomaso azy. Tapaka mandritra ny ora marobe ny jiro, matimaty ny orinasa miahy tena, fa tsy misy manohitra izany. Miaritra sy maharitra ilay vahoaka malagasy. Tsy misy resaka politika fa ny sosialim-bahoaka tena manahirana.
Tsy miandry fidinana an-dalambe vao afaka maneho hevitra. Tsy tokony hiandry an’izany koa vao haka fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana. Ekena fa efa manao izay tratry ny heriny ny Filohan’ny Repoblika. Efa mahazo vahana manerana ny Nosy ny karazana “Fitsinjovana” manokana. Fizarazaram-panampiana. Fanomezana vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Mahavelombolo!
Ny indrokely, tokony hojeren’ny fitondram-panjakana ny fanitarana izay tokony hisitraka tohana. Tsy tokony hijanona ho an’olom-bitsy ilay izy. Ny vahoaka malagasy maro anisa mihitsy no kofona sy sahirana amin’izao fotoana izao. Tsy misy kilasy salantsalany izany intsony ny fiarahamonina. Samy mandraingiraingin’ny adim-piainana daholo.
Fanapahan-kevitra goavana nandrasan’ny mponina amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao ny tohana ara-tsakafo toy ny Vatsy tsinjo. Lany vola amin’ny fampidirana mpianatra ny olon-drehetra. Mikaikaika tamin’ny saram-pisoratana anarana sy ny vidin’ny kojakoja. Tena samy tsy misy an-jaza fa mihatra aman’aina tokoa.
Soa anefa nisy ny mba nahay nitsinjo ny vodiandrohomerika, afaka nampihanta ny zanany, saingy olom-bitsy ihany anefa no afaka nanao izany.

r.r

Partager sur: