Fiaraha-miasa ara-pitsarana: Niara-nivory ny amerikanina sy ny minisitera

Niara-nivory ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ny solontena avy amin’ny masoivoho amerikanina sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, teny Faravohitra, omaly.

Nivoitra tamin’izany ny ho fanatsarana ny fiaraha-miasa entina hanatsarana ny fandraharahana ny fonja. Nialoha ny fihaonana ny fananganan-tsaina. Nam­ba­ran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny fisaorana ireo rehetra nikarakara ka nahatontosa soa aman-tsara ny fitokanana ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fanolorana ny fonjabe tany Belo amoron’i Tsiribi­hina. Notan­terahina ny zoma 5 septembra lasa teo izany ary natrehin’ny filoha, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra, Ntsay Christian.
Nasongadiny tamin’ny la­hateniny ny fankasitrahana ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny filohan’ny Repob­lika tamin’ny nanomezany fiara «Fourgon cellulaire» ho an’ireo fonjabe rehetra manerana ny Nosy. «Tsy adinoina koa ny fisaorana eram-po eran-tsaina ny nanolorana vary miisa 150 gony an’ireo voafonja ao Mo­rondava», hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny minisitry ny Fi­tsarana tany an-toerana, tamin’io fotoana io, fa nampiaiky izao tontolo izao ny fanajana ny zon’olombelona eto amintsika, tamin’ny fitsirihana izany, nandritra ny fivoriana natao tany Genève farany teo. «Tena miroso amin’ny fanajana izany zon’olombelona izany eto, indrindra ny fanajana ny olona eny amin’ny fonja», hoy ny minisitra. Teo koa ny hafatrafatra nampitainy amin’ireo mpitsara mba hanalavitra ny kolikoly sy handeha am-pahitsiana eo am-panatanterahana ny asany.

Synèse R.

Partager sur: