Tsipy kanetibe: Hidona amin’ny Riviera ry Zigle, anio

Hotanterahina amin’ity talata ity ny famaranana lehibe, “Final four”, hiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo firenena efatra hiady ny ho lohany ny Mala­gasy amin’ity. Hiatrika ny manasa-dalana avy hatrany izy ireo ka raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny ekipan’i Riviera, i Madagasikara, ahitana an’i Yves sy i Balôty ary i Tinakely miampy an’i Zigle. Ny ankatoky ny famaranana iray kosa hifanandrinan’i Bonetto sy Italie. Taorian’ny dingana fito notanterahina mantsy, nitana ny laharana voalohany ny ekipan’i Bonetto, nahazo isa 41 narahin’i Riviera, manana isa 39, ary fahatelo ny Malagasy, isa 35. Fahefatra i Italie nahazo, isa 33. Araka ny fitsipi-dalaon’ity Masters ity, mifandona ny voalohany sy ny fahatelo ary mihaona ny faharoa sy ny fahefatra. Raha tsiahivina ny lalana nodiavin’ny Malagasy, nandrombaka dingana telo, dia ny tao St Gilles-Croix-de-vie sy ny tao Cluses ary ny tao Nevers, izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, i Tinakely sy i Balôty ary i Yves no hanao ity “Final four” ity.

 

Tompondaka

Partager sur: