Nisongadina indray ny Malagasy mpilomano, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja lomano, notontosaina tany Manzani Eswatini, ny herinandro lasa teo. Medaly 28 be izao no azon’izy ireo, volamena 10, volafotsy 11 ary alimo 7. Noho io vokatra io, tafapetraka eo amin’ny laharana faha-3 amin’ny firenena 12 nandray anjara i Madagasikara. Nambaran’ny filohan’ny “Madagascar Aquatics”, Raveloson Mick Roland, teo am-pahatongavana teny Ivato, omaly, fa tena tsara ny vokatra azon’ny Malagasy ary mbola hanohy ny ezaka hatrany ny federasionina amin’ny fampitomboana izay vokatra izay. Ny hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany no tanjona izay nomarihany fa afaka mandray anjara amin’izany ireto solontena malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ireto. Misy ihany koa ireo Malagasy mpilomano mianadahy, Rakotobe Tendry, sy Andrianaho Marie Ange, voatsonga nandritra ny fifaninanana nasionaly ka nahazo fiofanana tany ivelany. Afaka mifaninana amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ihany koa. Atleta malagasy anisan’ny nisongadina, i Koty Glorios, izay nahazo medaly volamena 4 sy volafotsy 2, ka “record zone 4” ny teo amin’ny 100 m QN ary nahavita nanatsara zava-bita nasionaly ihany koa izy.
Mi.Raz
Vokatra
Aina Emadisson : Volafotsy : Relais 4x100m QN, Alimo : 200m brasse
Rakotondramanga Eliot : Volamena : 50m Dos, 50m PAP, Volafotsy : 100m PAP, 100m Dos, Relais 4x100m QN, Alimo: 200m QN, 50m NL
Rakotobe Tendry : Volamena : 50m NL, 200m QN, 50m PAP, Volafotsy : 50m Dos, 100m Dos, Relais 4x100m QN
Ranaivoson Serena : Volafotsy : 100m Brasse, 50m Brasse,Alimo: 200m Brasse
Randriamihaija Riantsoa : Volafotsy : 50m NL, Alimo: 100m brasse, 100m NL/Koty Glorio:Volamena: 100m Brasse, 100m NL, 200m QN, 200m NL,Volafotsy: 100m Dos, 50m PAP
Andrianaho Marie Ange : Alimo : 200m PAP
Ramiarison Aintso : Volamena : 200m brasse,Volafotsy: 200m QN
Raveloson Mamitiana : Volafotsy : Relais 4x100m QN




