Miverina ary anisan’ny tafiditra ao anatin’ny lahadinika iraisam-pirenena indray ny raharaha momba ireo Nosy malagasy (Iles Eparses).
Manomboka anio any New York ny fivorian’ny Firenena mikambana (ONU) ka nampahafantarana fa tafiditra ho lohahevitra faha‑60 ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny fivoriana faha‑80 eo anivon’ny ONU ireo Nosy malagasy ireo. Voalaza fa hiverenana hodinihina izany ary efa voafaritra, araka ny nahafantarana azy tany aloha ny anaran’ireo Nosy efatra ireo. Anisan’izany ny « Nosy Sambatra », « Nosy Nandalova », « Nosy Ampela » sy « Nosy Bedimaky ».
Tsy azo ihodivirana ny handinihana izany sady efa napetraka indray ho isan’ny resaka mifandraika amin’ny « Fiarovana sy fitoniana maneran-tany », araka ny voarakitra ao amin’ilay fanapahan-kevitra ofisialy 79/505 A navoakan’ny ONU tamin’ny 11 jolay 2025.
Fanohanan’ny Rosianina sy ny Sadc
Efa manohana antsika amin’ny famerenana amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo ny eo anivon’ny Sadc sy ry zareo Rosianina, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, taona vitsy lasa izay.
Etsy andaniny, efa nisy ny fihaonana faharoa teo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta, Frantsay sy Malagasy natao tany Paris ny 30 jona teo. Anisan’ny nivoatra tamin’ilay fanambarana iombonana ary mbola nohamafisin’ireo gazety vahiny ny fanambaran’i Frantsa ny amin’ny fiandrianan’izy ireo feno sy tanteraka amin’ireo Nosy ireo.
Tsiahivina fa efa mazava ny fehinkevitry ny ONU ny taona 1979. An’i Madagasikara ireo Nosy manodidina ireo.
Synèse R.




