Hiditra amin’ny andiany faharoa, amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra, ny hetsika sy fanofanana iarahana amin’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG). Efa notanterahina ny herinandro teo ny andiany voalohany tamin’izany.
Nandray anjara tamin’izany ireo antoko sy fikambanana politika. Nifampizarana sy noresahina tamin’izany ny momba ny lohahevitra: “ny mangarahara amin’ny fitantanana sy ny famatsiam-bola ho an’ny antoko politika. « Tena zava-dehibe izany nefa indraindray ataontsika tsinontsinona », hoy ny eo anivon’ny mpikarakara (TI-IM). Anisan’ ny nisongadina koa ny tsy maintsy hanatanterahan’ireo antoko politika ny momba izany sy ny hampifanarahana ny fitsipika momba ny resa-bola eo anivon’ny antoko politika, hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena nefa koa ao anaty fahitsiana. Hirosoana koa ny fametrahana vovonana iray amin’ny alalan’ny niomerika ny « Aramaso 2.0 » sy ny fomba fitantanana ny vola ho amin’ny fampielezan-kevitra.
Anisan’ny nitarika izao atrikasa fanofanana izao ny ekipa politika eo anivon’ny TI-IM amin’ny alalan’ny tetikasa « Clean Money in Elections ». Teo koa ny vaomiera manara-maso ny fitantanam-bolan’ny antoko politika (CCFVP).
Fanasaziana ireo nandika lalàna
Tsiahivina fa anisan’ny tolokevitry ny TI-IM ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana ny hanasaziana ireo fandikan-dalàna mifehy ny famatsiam-bolan’ny antoko politika sy ny kandidà. Hamoraina ny fanokafana kaonty any amin’ny banky, ho an’ny antoko politika sy ireo kandidà, ary asiana fepetra manery azy ireo hanokatra izany. Tokony hoferana koa ny vola ampiasain’ireo antoko politika sy ireo kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra.
Synèse R.




