Raikitra ny fanaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana loholona. Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, teny Mahazoarivo, ny didim-panjakana momba ny fanatanterahana sy ny fikarakarana izany fifidianana loholona izany, araka ny fehezan-dalàna. Tsiahivina fa anisan’ny mpifidy vaventy amin’izany ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina.
Notolorana mari-pankasitrahana ny ambasadaoron’i Japon, Koji Abe. Nanolotra izany teny, Ivandry ny filoha teo aloha nitarika ny fikambanan’ireo naman’i Japon. Manamarika ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany, araka ny lahateny nifandimbiasana. Anisan’izany ny fanohanan’i Japon ireo sehatra maro eto amintsika.
Nandray ny toeran’ny maha filohan’ny Fiombonan ny Fiangonana Protestanta (FFPM) azy, nanomboka, afakomaly ny mpitandrina, ny Dr Andriamanpianina, Zaka Harimasy. Notanterahina teny Vohipiraisana Ambohijatovo Ambony izany. Tsiahivina fa nisahana izany teo aloha, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, nandeha nisotro ronono.
Andrasana amin’ny filankevitry ny minisitra, anio, eny Iavoloha, na ho voatendry na tsia ny ho tale jeneralin’ny ACM. Tsiahivina fa anisan’ireo voasaringotra amin’ilay « Raharaha Boeing 777 » ny teo aloha. Tsy mbola voatendry hatramin’izao ny mpitantana vonjimaika. Mbola ny praiministra kosa no misolo vonjimaika mitantana ny minisiteran’ny Fitaterana.




