Nikarakara izany ny fikambanana Daholo. Teo koa ireo mpianatra Master 1 avy amin’ny sampana « Socio-management
du developpement rurale ». Nampita ny fahaiza-manaony ho amin’ny fampivoarana azy ireo ny avy amin’ity fikambanana ity. Nijoro vavolombelona ireo tanora avy amin’ny faritra iva ireo fa azo atao tsara ny mivoatra eo amin’ny fiainana sy ho tafita. Nihaino azy ireo rahateo ireo mpianatra. Ny olana, ny hetahetany ary ny fiainany. Teo koa ny fifampizarana ka nivoitra tamin’izany ny tokony hananan’izy ireo ny ho fahaiza-manao. Ny ho fiaraha-miasa anaty fifampihainoana indrindraindrindra.
Nifampizarana tamin’izany koa ny vinan’ny filohan’ny fikambanana, ny Dr Ramanantsoa Mihanta sy ny mopera, Rakotoarison Hilarion, talen’ ny U-Magis. « Azo atao tsara ny manokatra lalana tsaratsara kokoa ho azy ireo hisehatra amin’ny fampandrosoana ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra », hoy izy ireo. Nisy koa ny fizarana fampitaovana, hiatrehny ny ho avy tsaratsara kokoa.
Tsiahivina fa nijoro ny taona 2019 ny fikambanana Daholo. Nisahana ny fiahiana ireo tanora zanaky ny sahirana sy avy amin’ny faritra iva eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.
Synèse R.




