“Tsy maintsy ao amin’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambony no apetraka ny fitoriana momba ireo tomponandraiki-panjakana ambony”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Clément Jaona, ny amin’ny fitsarana tomponandraiki-panjakana ambony, toy ny minisitry ny Fitaterana teo aloha ny amin’ny “Raharaha boeing 777”. Manao fanadihadiana ny tonia voalohany mpampanoa lalàna: tokony hoenjehina sa tsia? Dia alefany eny amin’ny Antenimierampirenena izany… Miankina amin’ny depiote ny fanenjehana na tsia azy eny amin’ny Fitsarana avo (HCJ). Mila ny fankatoavan’ireo depiote ny fanenjehana. Tsy manome vahana ny tsimatimanota izany, fa sakana ho amin’ny fampiharan-dalàna sy ny fampitoviana ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Izay no mahatonga azy lasa fitsarana politika. Izay no mahatonga ny tsimatimanota.
Noho izany, tsy misy ny fanjakana tan-dalàna. Ny mahasarotra azy, tokony hovaina ny lalàna. Nefa tsy maintsy mikitika lalàmpanorenana milaza an’izay. Raha vao mikitika lalàmpanorenana, fanararaotan’ny mpanao politika: kitihiny avokoa izay tiany hokitihina. Izay no maha sarotra azy. Mazava ny voalazan’ny lalàna momba ireo minisitra am-perinasa. Raha am-perinasa no isehoan’ny heloka bevava na heloka tsotra no ataon’ny mpitondra, araka ny And. 133 amin’ny lalàmpanorenana: ny HCJ no mitsara azy. Niseho tamin’ny mbola maha minisitra azy ny “Raharaha boeing 777”. Tsy maintsy ny HCJ no mitsara azy. Raha efa tsy minisitra intsony izy no nisehoan’ ny raharaha, fitsarana tsotra no mitsara azy.
R. Nd.




