Sehatra iraisam-pirenena: Tsy fitondram-panjakana maneran-tany ny Firenena mikambana

Nanomboka tamin’ny 9 septambra lasa teo ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU). Amin’
ny 24 oktobra ny fankalazana ny faha-80 taonany, hanaovana ihany koa ny fivoriambe faha-80 ny 22-27 septambra. Izay tsara ho fantatra…

Fikambanana iraisam-pirenena misy firenena 193, nanomboka tamin’ny 14 jolay 2011, ny ONU. Niorina tamin’ny 24 oktobra 1945 izy, tamin’ny fankatoavana ny sata nosoniavin’ny so­lontenam-pirenena 51, tamin’ ny 26 jona 1945. Mampivon­drona fanjakana hisorohana ny ady mitam-piadiana sy hiarovana amin’ny herisetran’ny Ady lehibe voalohany sy faharoa izany. Nisolo toerana ny Fikambanam-pirenena ny ONU. Tanjony ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana maneran-tany. Mba hanatrarana izany ny fampiroboroboana ny fiarovana ny zon’olombelona. Eo koa ny fanomezana fanampiana maha olona sy ny ​​fampandrosoana maharitra ary fiarovana ny lalàna iraisam-pirenena. Manana fahefana manokana ihany koa izy, toy ny fametrahana sazy iraisam-pirenena sy fitsabahana ara-miaramila.
Enina ny rafitra fototry ny ONU: ny fivoriambe, ny filankevi-pilaminana, ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy, ny filankevitry ny fiahiana sy ny fitsarana iraisam-pirenena ary ny sekretaria. Ahitana fandaharanasa maro koa ny rafitry ny ONU, ny tahirim-bola sy ny masoivoho manokana ary ny fikambanana mifandraika amin’izany. Enina ny teny ofisialin’ny ONU: arabo, anglisy, frantsay, mandarin sy rosianina ary espaniola. Tsy manaiky afa-tsy anglisy sy frantsay ho fiteny miasa ny sekretaria. Manaiky ny teny anglisy sy frantsay ary espaniola kosa ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy. Mampiasa ny fiteny ofisialy enina ny sisa amin’ny sampandraharaha.
Notendren’ny fivoriambe amin’ny tolokevitry ny filankevi-pilaminana ny Sekretera je­ne­ralin’ny ONU nanomboka tamin’ny 1 janoary 2017. Any New York, Etazonia, ny foibeny. Misolo tena maharitra ao amin’ny ONU ny masoivohon’ny firenena 193. Na sehatra fifanakalozan-dresaka ihany aza ny fiarahan’ny firenena ahazoan’ny diplaomaty mivory mba hananganana marimaritra iraisana, afa-mandray fanapahan-kevitra mazava miaraka amin’ny Filankevi-pilaminana. Mety hitarika amin’ny fanomezan-dalana hampiasa hery mitam-piadiana na ny “miaramila misatro-manga”, ohatra, mba hitazonana na hamerenana ny fandriampahalemana.

Efatra ny tanjon’ny ONU

Araka ny andininy voalohan’ny Sata, miezaka ny ho fanorenana hoavy tsara kokoa ho an’ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny tanjona efatra ny ONU: fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana maneran-tany, fampivelarana ny fifandraisana am-pirahalahiana eo amin’ny firenena, fanatontosana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny lafiny rehetra izay mety hahasoa azy ary fampirisihana ny fanajana ny zon’olombelona ho ivontoerana mampirindra ny ezaky ny firenena ho amin’ny tanjona iombonana.
Tsy fitondram-panjakana maneran-tany ny ONU. Noho izany, tsy manao lalàna. Na izany aza, manome ara-dalàna ny fitsabahan’ireo Fanjakana eo amin’ny sehatry ny fampiharana azy ary mihatra amin’ny lalàna nasionaly sy iraisam-pirenena ny fanapahan-keviny. Mitohy amin’ny alalan’ny fa­naovan-tsonia fifanarahana na fifanarahana iraisam-pirenena eo amin’ny firenena izany.

Tsy lalàna ny Fanambara­na iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona

Nanaiky ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona ny Fivoriam­ben’ny ONU tamin’ny 10 de­sambra 1948. Tsy fifanarahana izany: tsy manana lanja ara-dalàna ny fanambarana. Na izany aza, loharano ho amin’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ary fampiharana ny zon’olombelona: niteraka fiantraikany politika. Noho izany, nanome fiaingana sivy izay fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izay. Arahin’ny komity manampahaizana manokan’ny ONU ny fanatanterahana azy. Fanoloran-tena hanatanteraka ny fepetra ny fankatoavan’ny Fanjakana iray.
Eo àry ny fifanarahana momba ny fanafoanana ny ka­razana fanavakavaham-pirazanana (1965), ny fifanekena momba ny zo sivily sy politika (1966), ny fifanekena momba ny zo toekarena sy sosialy ary kolontsaina (1966), ny fifanarahana fanafoanana ny karazam-panavakavahana atao amin’ny vehivavy (1979). Ma­nam­py ireo ny fifanarahana ma­nohitra ny fampijaliana (1984), ny fifanarahana mom­ba ny zon’ny ankizy (1989), ny fifanarahana momba ny fiarovana ny zon’ny mpiasa mpifindra monina sy ny fianakaviany (1990), ny fifanarahana mom­ba ny fiarovana amin’ny fanjavonana an-terisetra (2006) ary ny fifanarahana momba ny zon’ny olona manana fahasembanana (2006).

Misy rafitra lehibe enina ny ONU

Eo ny Fivoriambe, ahitana ny firenena mpikambana rehetra ary manana vato tokana amin’ny tolo-kevitra atao latsa-bato. Ny Filankevi-pilaminana misahana ny fandriampahalemana na fanaovana herisetra, afaka manapa-kevitra momba ny sazy mihatra amin’ny fanjakana izy. Ny Filankevitra ara-toekarena sy sosialy manampy amin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana amin’izany ihany koa. Manam­py ireo ny Filankevi-piahiana, tsy ampiasaina intsony hatramin’ny nifaranan’ny fanjanahantany, ny Fitsarana iraisam-pirenena mandamina ny fifanolanan’ny samy fanjakana manaiky hampiasa ny fahefany ary ny Sekretaria manara-maso ny fitantanana ny fikambanana, anisan’izany ny mpiasa 9 000 eo ho eo mitantana azy sy ny solontenan’ny ONU.
Ankoatra ireo sampana le­hibe enina ireo, manana ma­soivoho manokana 15 koa ity rafitra maneran-tany ity: ny Ban­ky iraisam-pirenena (BM), ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny toetr’andro (OMM), ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fa­na­nan-tsaina (OMPI), ny Fi­kam­banambe iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS), ny Fikambanan’ny ONU momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO), ny Fikam­banana iraisam-pirenena mom­ba ny fampandrosoana indostrialy (ONUDI) ary ny Fi­kambanana misahana ny fa­nabeazana sy siantifika ary kolontsaina (Unesco)…

Nanatontosa : R. Nd.

Partager sur: