Fanomanana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, Etazonia, ny 22-27 septambra. Io ny fivoriana teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Teo ny avy amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny notarihin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika; ny mpandrindra maharitra eo anivon’ny ONU eto Madagasikara, i Anthony Ngororano, ary ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika nosoloin’ny talen’ny serasera tena, Ratsirahonana Mercedes. Hiavaka ny fivoriambe faha-80, mifanindran-dalana amin’ny faha-80 taon’ny ONU izay hankalazaina amin’ny 22 septambra. Lohahevitra ny hoe “Miara-tsara kokoa: 80 taona ary mihoatra ho an’ny fandriampahalemana sy fampandrosoana ary ny zon’olombelona.” Antso hanamafisana ny firaisankina sy hiaro ny soatoavina maneran-tany izay fototry ny fikambanana izany: fandriampahalemana sy zon’olombelona ary fampandrosoana maharitra.
Hafatra no hoentin’i Madagasikara any New York: “Tsy teny filamatra fotsiny ny hoe “tsara kokoa ny fiarahana”, fa vina iombonana. Azo atao ny manambatra ny fomba amam-panao eto an-toerana, toy ny fihavanana sy ny fokonolona, miaraka amin’ireo antony lehibe maneran-tany. Manamarika ny toetrandro, ny zavamananaina, ny firaisankina ary ny zon’olombelona izy io. Diplomasia miompana amin’ny asa izany, mifanaraka amin’ny toe-tsain’ny faha-80 taonan’ny ONU.
R. Nd.




