Fitantanana maneran-tany : Misarika amin’ny lafiny fampandrosoana mirindra i Chine

Nanao fanambarana ny filohan’i Chine, Xi Jinping, nandritra ny fivorian’ny Organisation de Coopération de Shanghai (OCS) Plus, ny 1 septambra teo.

Nambarany tamin’ny kabariny ny soso-kevitra ho fandraisana an-tanana ny Fitantanana maneran-tany (IGM), izay niantsoany ny firenena rehetra mba hi­ara-hiasa hanangana rafitra mi­rindra kokoa, ara-drariny ary mitovy lenta. Na mbola mitohy aza ny ady mangatsiaka sy ny fiarovana tombon­tsoa manokana, mitombo hatrany ny fanamby vaovao maneran-tany. Niditra amin’ny fanovana izao tontolo izao ka mitaky rafitra vaovao. Noho izany, nanasongadina ny filoha Xi Jinping fa ilaina ny fiaraha-miasan’ny firenena rehetra hananganana rafitra ara-drariny sy handrafetana fiarahamonina iray iraisan’ny olombelona.

Foto-kevitra lehibe

Misy ny foto-kevitra lehibe ijoroan’ny IGM. Anisan’izany ny fanajana ny fitovian’ny firenena rehetra, na lehibe na madinika, ny lalàna iraisam-pirenena miorina amin’ny fitsipiky ny Firenena mikambana ary ampiharina am-pahamarinana. Eo koa ny fifampidinihana, fandraisana andraikitra iombonana ary fizarana tombontsoa, ny fanomezan-kasina ny vahoaka. Ny fanasoavana ny vahoaka no fototra sy tanjona amin’ny fitantanana. Ny firindran’ny fifandraisana eo amin’ny firenena mandroso sy ny an-dalam-pandrosoana Raha ny nambaran’i Chine, mifanaraka amin’ny tanjon’ny Firenena mikambana ireo foto-kevitra ireo ary mamaly ny hetahetan’ny ankamaroan’ ny firenena. Tsy mikendry ny hanongam-panjakana na ha­nova rafitra efa misy izy, fa kosa hanatsara sy hanavao izany. Marihina fa vonona ny hanohana ny Firenena mi­kam­bana sy ny fikambanana iraisam-pirenena i Chine, ary hiasa miaraka amin’ny vondrona rehetra. Ny tanjona dia ny hanampy amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fitantanana maneran-tany, amin’
ny alalan’ny fahendrena sy ny fiaraha-mientan’ny firenena rehetra.

F.R

Partager sur: