Anisan’ireo mpilalao nantsoin’ny Elgeco Plus handrafitra ny ekipany amin’ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ilay kameroney i Pafong. Ankoatra azy, hisy mpilalao hafa avy eto an-toerana telo hafa, ka anisan’izany i Gregas. Tsiahivina fa hidona amin’ny Silver Strikers Malawi izy ireo amin’izany.
Hiditra amin’ny andiany fahatelo indray ny fiofanana ho an’ny DAF (Diplôme d’animateur fédéral), taranja karate. Fiofanana natokana ho an’ireo mpampianatra ity taranja ity, hahazoana ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany, no atao. Ny 11, 18 ary 25 oktobra izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny ANS Ampefiloha, ho an’ny Formation initiale. Ny 10 hatramin’ny 14 novambra izao kosa ny fiofanana ho an’ny Formation continue, izay hatao eny amin’ ny ANS Ampefiloha ihany koa. Ny 16 novambra kosa ny fanadinana.
Nambaran’ny filohan’ny CFFA, Rakotoarimanana Henintsoa, tetsy Andoharanofotsy, omaly, fa mitentina 2 miliara sy 500 tapitrisa Fmg ny vidin’i Lalaina, izay nifindra lasy atsy Algerie. Tsiahivina fa mpilalao anisan’ny tena namiratra nandritra iny “Chan 2024”, farany teo iny, i Lalaina.




