Hiditra amin’ny dingana farany, manomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety, tontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Manomboka hita taratra ireo ekipa henjana amin’ity fifaninanana ity. Anisan’ny misongadina ny ASSM Analamanga, eo amin’ny sokajy vehivavy. Lalao dimy no natrehin’izy ireo hatreto ary fandresena 4 no azo. Tamin’ny andro voalohany, efa nasehon’ireo mpilalao avy amin’ny ASSM Analamanga fa ekipa tsy azo sangiana izy ireo ary efa vonona ny handrombaka ny amboara. Isa 61 no ho 55 no nandavoan’ny ASSM ny ekipan’Ankaratra, Vakinankaratra, tamin’izany. Teo amin’ny andro faharoa, somary nilatsaka ny herijika ka resin’ny JEA Vakinankaratra tamin’ny isa 58 no ho 48 izy ireo. Niverina tamin’ny heriny anefa ny ASSM tamin’ny andro fahatelo ka nandresy ny ekipan’ny Varsity Anosy, tamin’ny isa 79 no ho 70. Nitombo hatrany izay fahatokisan-tena izay ka mbola nahazo fandresena tamin’ny isa 61 no ho 35 nanoloana ny ekipan’ny Ascut Atsinanana. Omaly ihany koa, mbola nahazo fandresena fahefatra, nanoloana ny Fandrasa ny ekipan’ny ASSM Analamanga. Raha izao vokatra izao, azo lazaina fa anatin’ny ekipa «Top 5» eo amin’ny sokajy vehivavy, amin’ity fifaninanana N1A ity, ny ASSM Analamanga ary ho ao anatin’ny hiady ny «podium» ihany koa.
Mi.Raz




