Mivaro-panahy

 

Tafahoatra ny finoanoam-poana ankehitriny! Miroborobo sy mahazo vahana eny amin’ny haino vaky jery sy tambajotran-tserasera ny dokambarotra mahakasika fitsaboana “hafahafa”. Tsy tambo isaina ry “mama ranona” sy “dada ranona” mpanasitrana. Manginy fotsiny ry “tantine” sy “tonton” mpitaiza masina! Mandroboka sy manodoka ery ny filazana fa mahay fahagagana mitondra soa. Tahaka ny efa inona ireny mihitsy izy ireo. Manoatra ny  zanaharikely latsaka fahefany izany.
Ny mpitaiza kalanoro, ny mpimasy milaza ho mahay moa tsy asian-dresaka intsony. Manatobaka vola amin’ny ranty ho fampiasana sy ho fanodinam-bola avokoa. Manao ny fomba rehetra hisintomana mpanjifa sy hangaronana ny paosin’ny hafa. Raha mitsangantsangana na mitsidika ireny doany na fasan’Andriana ireny moa dia mifanitsa-kitro ny olona tonga mandro sy midio manala fady sy mangata-pitahiana eny. Mitalaho amin’ny zanahary sy ny razana mba ho ambinin-java-manasatra. Ho afa-tsiny ka hisafononoka fahasoavana.
Izany eo ihany, fa tsy manaiky lembenana koa anefa ny tranom-pivavahana maoderina. Maniry ohatra ny anana ireto fiangonana mpanao fahagagana. Irak’i kristy mpamonjy, mpamaly vavaka tsy misy takalony na sanatria maka tambiny. Mivoy ny anaran’Andriamanitra ho fanalahidin’ny sakantsakana sy ny devolin’ny farahidiny. Mahazo vahana ny fisoratan-tena ho apostoly, katekista, pasitera, mpiandry, sns. Miroborobo ny fivavahana kristianina sy ny finoana nentim-bazaha.
Ankoatra ireo, tsy takona afenina ireny fikambanana na tambajotra iraisan’ny ” maçonnique” ireny. Betsaka ny olona resy lahatra ka miditra. Misafidy ny lalana izay heveriny fa mahasambatra azy amin-kalalahana. Malalaka rahateo ny lalana ho azy ireny noho ny mpikambana ao aminy manana fifandraisana matanjaka. Tia mifampisintona miakatra. Mikatsaka izay hirindran’ny fiangonana arakaraka ny drafitra sy ny lamin’ny fikambanana.
Ny fitanisana ireo dia tsy midika akory ho fanohanana na fitanilana amin’izy ireo. Natao fotsiny hanamafisana fa zava-dehibe amin’ny fiainana ny fananana finoana. Tsy natao hivarotam-panahy anefa fa tokony hipetraka ho arofanina hampandrosoana ny ambaindain’ny isan-tokantrano.

r.r.

Partager sur: