Arenina ny lesoka !

 

Hifarana ny herinandro, milamindamina ny tanàna. Nizotra tamim-pilaminana ny fampidirana ny mpianatra, na ny sekoly manaraka fandaharana frantsay, na ny mpandala ny rafitra malagasy 100 %. Nandeha tsy nisy olana ny ankamaroan’ny teny anivon’ny sekoly na mbola maro aza ny kiana sy ny fanamarihana avy amin’ny ray aman-dreny noho ny lamina isan-karazany.
Eto no hanipazana teny ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, mba hanaja ny mpanabe sy ny sekoly voalohany indrindra. Matetika mora ny manome tsiny amin’izay tsy mifanaraka amin’ny saina. Tadiavintsika hitovy amin’ny fampihantana ny zanaka any an-trano ny fomba hitondran’ny mpampianatra azy ireny.
Manaraka izay ny sekoly, tsy sanatrian’ny vava zary fitadiavam-bola ity sehatra ity. Mba tokony hisy ny fanajana ny etika. Mazàna toa “afera”, mitady mpianatra maro anisa ny tale sy ny tompon-tsekoly. Tombom-barotra no tadiavina fa tsy miahy ny kalitaom-pampianarana atolotra ny ray aman-dreny sy ny ankizy.
Tsy hay ny tsy hisintona lakolosy amin’ny fomba fiasan’ny minisitera mpiahy, amin’ny alalan’ireo mpanome fahazoan-dalana hanokatra sekoly. Tokony hamafisina ny fanaraha-maso mialoha ny fizarana ny antontan-taratasy. Tsy ny sekoly ihany no mitaky fihenjanana, fa na hatramin’ny fahafahan’ny olona iray hampianatra. Toa gaboraraka ny fanomezana izany.
Inona no hitanisana izany rehetra izany? Iaraha-mahalala ny toe-javamisy ankehitriny. Mikororosy ny kalitaom-pampianarana eto Madagasikara. Hita taratra amin’ny salanisa azon’ny mpanala fanadinam-panjakana izany. Mihena ny afa-panadinana miaraka amin’ny naoty tsara sy ambony. Tsy afa-mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena velively.
Mitaky politika matotra ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tsy vitan’ny torapo na kabary ambony vavahady intsony ny zava-misy. Mitaky andraikitra sy fahatsapan-tena ary fahasahiana goavana ny fanovana. Mila arenina ny lesoka!

r.r

Partager sur: