« Mode éthique et durable »: III Mpifaninana 11 hiatrika famaranana

Eo amin’ny tontolon’ny lamaody sy ireo filirony miaraka aminy. Ao anatin’ny andiany fahatelo ny hetsika «Mode éthique et durable». Miompa­na amin’ny fanapariahana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana eo amin’ny se­hatra iraisam-pirenena izany. Ho an’ity taona 2025 ity, mpamorona 11 no voafantina hiatrika ny famaranana, raha na­hatratra 80 ny isan’ny mpandray anjara.
Ankoatra ny fitahirizana ny fototra, voatsinjara ao anatin’ny sehatra na sokajy roa lehibe izy 11 mianadahy eo amin’ ny famoronana akanjo sy fa­moronana ireo kojakoja miaraka amin’ireny akanjo ireny. Ma­naraka fiofanana mandritra ny 100 ora mahery izy ireo, mi­­aloha ny hiatrehina ny fa­maranana. Ny mpifaninana voalohany isan-tsokajy no hi­sitraka ny fivahinianana sy fi­fanakalozana traikefa ary fampivelarana ny talenta any Fran­tsa, amin’ny taona 2026.
Anisan’ireo hiatrika ny fa­maranana izay hotontosaina ny 2 ka hatramin’y 20 oktobra izao i Onisoa Gilberte Razafi­ma­ha­tratra (akanjo), Fo Fana­hy N’Ando Rakotonarivo (filirony), Elissah Hajarison (akan­jo), Lanto Rakotoarivelo (filirony), Erica Ramanoara (akanjo), Bruno Betina (filirony), Hanta­soa Jeannie Myriam Harivelo­nambinina (akanjo), Fabienne Raoily Ralambomanana (filirony), Jean Jordan Rabemanan­jara (akanjo), Richiandy Rahe­rinjatovo (filirony), Onitiana Randriamisandratra (sportswear ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: